Bouches-du-Rhône
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/9d/Bouches-du-Rh%C3%B4ne_departement_locator_map.svg/240px-Bouches-du-Rh%C3%B4ne_departement_locator_map.svg.png)
I Bouches-du-Rhône dia departemanta frantsay ao amin'ny Provence-Alpes-Côte d'Azur (PACA). Eo ambaravaron'ny renirano Rhône no misy ilay departemanta ary noho izany izy no mitondra ny anarana hoe Bouches-du-Rhône (Ambavaranon'i Rhône). Ny kaody INSEE sy kaodim-paositra ho an'i Bouches-du-Rhône dia 13.
Jeografia
Ny renivohitr'ilay departemanta dia Marseille, anisan'ny tanàna lehibe indrindra ao Frantsa (1,3 tapitrisa mpo.) Ny isam-ponina manontolo dia 2 tapitrisa mponina ary 5 087km² ny velarantany. Ny isan'ny kaominina ao amin'ilay departemanta dia 119 anaty fivondronana efatra, ary Kantôna 57.