Eglizy latina

Ny Eglizy latina na Fiangonana latina dia ny ampahany manaraka ny fomba tandrefana ao amin' ny Eglizy katôlika ka ny Fiangonana katôlika tatsinanana no ampahany mifameno aminy. Amin' ny Fiangonana katôlika manontolo dia izy no ampahany lehibe indrindra. Izy koa no lehibe indrindra ao amin' ny kristianisma tandrefana. Nampiasa ny fiteny latina izy tamin' ny Andro Antenatenany ka hatra taty aoriana fa tsy ny fiteny grika na hafa. Ny Fiangonana latina isam-pirenena amin' izao fotoana izao dia samy mampiasa ny fiteny eo amin' ny toerana misy azy fa tsy voatery ho ny fiteny latina ihany.

Indraindray koa ny Fingonana latina dia mety hantsoina hoe "Fiangonana tandrefana" na "Fiangonana katôlika rômana" na "Eglizy katôlika rômana". Mahalankalana ihany no iantsoana azy hoe "Fiangonana katôlika tandrefana". Ny hoe "Fiangonana tandrefana" koa dia indraindray mety hanondro avy hatrany ny Fiangonana latina.

Manana ny fehezan-dalànany manokana ny Eglizy latina, dia ny Lalàna kanônika izay tsy ampiharina amin' ny fiangonana katôlika tatsinanana izay manaiky ny fahefan' ny Papa koa.

Jereo koa