Faritanin' i Teheran
Ny Faritanin' i Teheran dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Mirefy 18 909 km² izy ary ao avaratry ny lembalemba afovoan' i Iràna no misy azy. Ity faritany ity dia manana sisintany iraisana amin' ny Faritanin' i Mazandaran any avaratra, amin' ny Faritanin' i Qom any atsimo, sy amin' ny Faritanin' i Semnan any atsinanana ary amin' ny Faritanin' i Alborz any andrefana. Ny tanànan' i Teheran dia tsy renivohi-paritany ihany fa renivohitr' i Iràna ihany koa. Hatramin' ny volana Jona 2010 ity faritany ity dia manana departemanta miisa 11 sy kaominina miisa 37 ary vohitra miisa 1 358.
Nanjary nitombo lanja ilay faritany rehefa nambara ho renivohitry ny tarana-mpanjaka Kajara (Qajar) i Teheran tamin' ny taona 1778. Ankehitriny i Teheran dia anisan' ny kaominina 20 lehibe indrindra eran-tany amin' ny habeny sy ny mponina ao aminy.
Jereo koa
- Faritany any Iràna: Alborz - Ardabil – Azerbaijan-e-Gharbi – Azerbaijan-e-Sharghi – Bushehr - Shahar Mahaal-o-Bakhtiari - Esfahan - Fars - Gilan – Golestan - Hamedan – Hormozgan - Ilam - Kerman - Kermanshah – Khorasan-e-Jonubi - Khorasan-e-Razavi - Khorasan-e-Shomali - Khuzestan - Kohkiluyeh-o-Boyer Ahmad - Kurdistan Iraniana – Lorestan - Markazi – Mazandaran - Qazvin – Qom – Semnan - Sistan-o-Baluchestan - Teheran - Yazd - Zanjan