Faritany eto Madagasikara
Ny faritany eto Madagasikara dia fizaràna' ny tanim-pirenena malagasy ara-pitantanan-draharaha sy ara-pôlitika izay miisa enina. Ireto avy izy ireo:
- Faritanin' Antananarivo,
- Faritanin' Antsiranana,
- Faritanin' i Fianarantsoa,
- Faritanin' i Mahajanga,
- Faritanin' i Toamasina,
- Faritanin' i Toliara.
Noravana ny faritany taorian' ny fananganana ny faritra sy ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2007. Fe-potoana telopolo volana (hatramin' ny Ôktôbra 2009) no navela ho an’ ny fiampitana mankany amin' ny fametrahana ny faritra. Fa tamin' ny lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia naverna indray ny faritany mizaka tena enina[1].
Tantara
Tamin' ny fanjanahan-tany sy ny repoblika voalohany
Nisy fiantraikany lalina teo amin' i Madagasikara ny fanjanahan-tany frantsay, nanomboka tamin’ ny faran’ ny taonjato faha-19. Nametraka fitondrana foibe ny Frantsay ary nizara ny Nosy ho faritany (provinces). Tamin' ny taona 1946 no niforona ny faritany, fony zanatany frantsay i Madagasikara. Dimy izy ireo tany am-boalohany, fa noforonina taty aoriana ny fahenina (Diego Suarez na Antsiranana), talohan’ ny fifidianam-paritany izay natao tamin’ ny taona 1957. Ity fizarana ity dia nanana tanjona tsy ara-pitantanana ihany, fa koa ara-pôlitika koa, nikendry ny hifehy ny tany sy hanamora ny fitrandrahana ny loharanon-karena. Tamin' ny fanjanahantany frantsay sy taorian’ ny fahazoana fahaleovantena dia nizara ho faritany (provinces) enina i Madagasikara. Ireo faritany ireo dia:
- Diego-Suarez (Antsiranana): any amin’ ny farany avaratry ny Nosy, manana tantara voamariky ny maha toerana stratejika azy sy ny seranan-tsambony an-drano lalina;
- Fianarantsoa: any atsimo atsinanana;
- Majunga (Mahajanga): any amin' ny morontsiraka andrefana, io faritany io dia ivon-toerana ara-barotra sy seranan-tsambo lehibe;
- Tamatave (Toamasina): any amin' ny morontsiraka atsinanana; nisy ny seranan-tsambo lehibe ho an’ ny varotra ao amin’ ny Ranomasimbe Indianina ity faritany ity.
- Tananarive (Antananarivo): eo afovoan' ny Nosy, faritany nisy ny renivohitra;
- Tuléar (Toliara): any atsimo-andrefana.
Tamin' ny repoblika faharoa
Taona maro taorian' ny fahaleovantenan' ny taona 1960 dia nanana rafi-pizaràna nitovy amin' ny an' ny Frantsay i Madagasikara. Ny Repoblika faharoan’ i Madagasikara, fantatra amin’ ny anarana hoe Repoblika Demokratika Malagasy, dia naharitra tamin' ny taona 1975 ka hatramin’ ny 1992. Nanamarika izany vanim-potoana izany ny fitondrana sôsialista teo ambany fiadidian’ i Didier Ratsiraka. Nandritra ny repoblika faharoa dia nizara ho ambaratonga efatra i Madagasikara: faritany, fivondronana (na fivondronampokontany), firaisana (na firaisampokontany) ary fokonolona (na fokontany). Nandritra ny Repoblika faharoa dia notazonina ny fizaràna ara-pitantanana an’ i Madagasikara ho faritany enina. Ireo faritany ireo dia:
- Antananarivo
- Antsiranana
- Fianarantsoa
- Mahajanga
- Toamasina
- Toliara
Na dia nanohana ny fitsinjaram-pahefana aza ny Lalàmpanorenana tamin’ ny taona 1975, raha ny zava-misy dia nivangongo tao Antananarivo renivohitra ny fahefana. Ny lehiben' ny faritany notendren' ny fitondrana foibe no nitantana ny faritany.
Tamin' ny repoblika fahatelo
Nambaran' ny lalàmpanorenana vaovao tamin' ny taona 1992 fa tokony hozaraina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana maromaro ny firenena, nefa tsy nisy ny filazana amin’ ny antsipiriany. Ny lalàna tamin’ ny taona 1994 dia namaritra ambaratonga telo nofaritana: faritra sy departemanta ary kaominina. Tsy voatonona ao anatin' ilay lalàna ny faritany.
Ny lalàmpanorenan' ny taona 1992 dia nilaza fa ny firenena dia tokony hozaraina ho vondrom-paritra. Ny anarana sy ny isa ary ny fetran' ny vondrom-paritra dia faritan' ny lalàna. Ny lalàna nolanian' ny Antenimieram-pirenena tamin' ny taona 1994 dia namaritra ambaratonga telo: ny faritra ary ny departemanta ary ny kaominina. Tamin' ny taona 1996 no niforona ny kaominina. Tsy voaresaka ao anatin' ilay lalàna ny faritany misy.
Taorian' ny fahalanian' ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka tamin' ny taona 1997 dia tamin' ny taona 1998 no nametrahany lalàmpanorenana nasiam-panitsiana izay namadihana ho “faritany mizaka tena” ny faritany izay mbola nisy. Talohan' izay dia tsy nisy lalàmpanorenana nilaza ny antsipirian’ ny fizarazarana ny tanim-pirenena, ka ny lalàna no mifehy izany. Ny faritany mizaka tena dia noforonina tamin' ny taona 2000. Ny tanjona ôfisialy dia ny hahatonga an’ i Madagasikara ho firenena federaly itsinjaram-pahefana. Nambaran’ ny mpitsikera fa ny antony nafenina dia ny hahazoana antoka fa hahazo fanohanana mafy avy amin’ ny ankamaroan’ ny faritany i Ratsiraka; ny antokony AREMA no nandresy tamin’ ny fifidianam-paritany tamin' ny taona 2000 tany amin’ ny faritany rehetra ankoatra an’ Antananarivo.
Tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2001, izay nilazan' ny kandidan' ny mpanohitra Ravalomanana fa hosoka ny tarehimarika ôfisialy, dia tonga nanohana an-dRatsiraka ny governora AREMA dimy ary nanambara fa tsy miankina amin' ny repoblika. Rehefa nahazo ny toeran' ny filohan' ny repoblika Ravalomanana dia nosoloina PDS (Filohan' ny delegasiôna manokana) ny governoran' ny faritany, izay mbola teo amin' ny toerany. Nampitsahatra ny "faritany mizaka tena" izany, na dia mijanona amin' ny toerany aza izy ireo satria tafiditra ao anatin' ny lalàmpanorenana.
Naharitra elaela ihany ny tsaho momba ny fandravana ny faritany mizaka tena, rehefa natao tamin' ny 4 Avrily 2007 ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana, izay nanohana ny lalàmpanorenana nohavaozina tsy nisy faritany ny ankamaroan' ny mpifidy. Ny faritra vaovao no ho lasa ambaratonga ambony indrindra amin' ny fizarana.
Ankehitriny, misy ambaratonga misy ny fizarana dimy:
- Faritany mizakatena (miisa 6)
- Faritra (miisa 22)
- Fivondronana (miisa 116)
- Kaominina (miisa 1 548)
- Fokontany (miisa 16 969)
Rehefa tafaverina teo amin' ny fitondrana ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, dia nasiam-panitsiana ny lalàmpanorenan' ny taona 1998, mba hampidirana sy hiresahana manokana ny faritany mizaka tena enina, izay mizara ho faritra sy kaominina tsy voafaritra. Ny faritany mizaka tena, izay manana anarana sy fizaràn-tany mitovy amin' ny an' ny faritany efa misy, dia niforona tamin' ny taona 2000. Natao tamoin' ny 3 Desambra 2000 ny fifidianana ny filankevitry ny faritany enina, ka nahazoan' ny AREMA ny maro anisa tamin' ny faritany rehetra afa-tsy Antananarivo. Nandritra ny ady seza taorian' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2001, dia faritany dimy tamin' ireo, izay nanohana an-dRatsiraka ny governorany, no nanambara tena ho tsy miankina amin' ny repoblika. Nosoloin' ny filoha vaovao, Ravalomanana, amin' ny delegasiôna manokana notendreny ny governoram-paritany. Midika izany fa nitsahatra tsy nisy intsony ny faritany mizaka tena, ary efa nomanina ny fandravana azy ireo.
Tamin' ny taona 2004, ny Antenimieram-pirenena, tamin' ny lalàna laharana 2004-001 no namorona ny faritra. Mandritra izany fotoana izany, ny faritra 28 natolotra tany am-boalohany dia lasa 22. Na dia fizaran' ny faritany aza izy ireo, dia misolo tena ny repoblika (sady misolo tena ny vahoaka) fa tsy misolo tena ny faritany. Handray ny fananan' ny Fivondronampokontany teo aloha ihany koa ny faritra. Voalaza ihany koa fa ny kaominina ihany no vondrom-paritra miasa, ary hisy ny tetezamita tsy voafaritra mankany amin' ny ny rafitra vaovao. Tsy voatonona ao anatin' ny lalàna ny departementa fa ny fanondroana hoe "fizaràn' ny faritra" no nampiasaina.
Tamin' ny taona 2004 ihany koa dia nofaritana tamin’ ny didim-panjakan' ny filoham-pirenena 2004–299 ny Fokontany izay efa misy. Fizaràna amin' ny kaominina izy ireo ary tarihin' ny lehiben' ny fokontany izay tendren' ny ben' ny tanàna.
Tamin' ny taona 2005 dia nisy fizaràn-tany vaovao antsoina hoe "distrika" ("districts") natsangana tamin' ny alalan' ny didim-panjakan' ny filoham-pirenena laharana 2005–012, izay nasolo ny ambaratongan' ny departemantan' ny taona 1994. Misy distrika 116. Mitovy ny sisin-tany amin' ny “spréfektiora” na “Fivondronampokontany” teo aloha. Izy ireo dia faritana ho fizaràna ny faritra, ary ahitana "boruborin-tany" ("arrondissement administratifs") iray na maromaro. Ny lehiben’ ny distrika dia tendren’ ny lehiben’ ny faritra.
Tamin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2007 dia nesorina ny faritany mizaka tena. Tafiditra kosa ny faritra sy ny kaominina ary ny fokontany (fa tsy ny distrika). Na izany aza, tamin' ny lalàmpanorenan' ny taona 2010, faritany mizaka tena enina no naverina tamin' ny lisitra.
Tamin' izao repoblika fahefatra izao
Lalàna
Ny Repoblika fahefatra, izay naorin’ ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010, dia manamafy ny andraikitry ny faritra amin' ny maha fizaràm-pitantanana lehibe azy ireo ao amin’ ny firenena. Teo aloha dia nanana ny fizakan-tenany ny faritany enina eto Madagasikara, ka natsoina hoe "faritany mizakatena". Amin' ny lafiny fanapariaham-pahefana dia voatsinjara ho distrika maromaro ny faritany iray. Ao amin' ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany eto Madagasikara, saingy tsy misy fanatanterahana izany ka lasa faritany ara-pitantanana ho an' ny sampan-draharaham-panjakana sasany fotsiny izy ireo.
Ny Antenimieran-doholona, iray amin' ny antenimiera roa, no misolo tena ny vondrom-paritra. Ny loholona dia fidin' ny mpifidy lehibe amin' ny ampahany (mpanolotsaim-paritra, mpanolotsaina kaominaly sy monisipaly). Izany dia miantoka ny fiarovana ny tombontsoan' ny faritra eo amin' ny sehatra nasiônaly.
Fizaràna ny faritany ho faritra
Ankehitriny dia nozaraina ho faritra 24 ireo faritany ireo: Diana, Sava, Itasy, Ambatosoa, Analamanga, Vakinankaratra, Bongolava, Sofia, Boeny, Betsibola, Melaky, Alaotra-Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Amoron' i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo-Atsinanana, Ihorombe, Menabe, Atsimo-Andrefana, Androy, ary Anosy.
Fuzaràn' ny faritra | Faritany | Caractéristiques | ||||||||
---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
Distrika | Fokontany | Velarana (km²) | Mponina | Hakitroka (mp/km²) | ||||||
Carte | Faritra | Reniviohitra | Taona famoronana | Isa | Anarana | |||||
Analamanga | Antananarivo | 2004 | 13 | Ambohidratrimo
Andramasina Anjozorobe Ankazobe Antananarivo Atsimondrano Antananarivo Avaradrano Boriborintany enin' Antananarivo Manjakandriana) |
1 625 | Antananarivo | 17 320 | 3 623 925 | 208,9 | |
Bongolava | Tsiroanomandidy | 2004 | 2 | Fenoarivobe | 328 | Antananarivo | 17 907 | 670 993 | 37,1 | |
Itasy | Miarinarivo | 1959 | 3 | Arivonimamo | 574 | Antananarivo | 6 558 | 898 549 | 136,6 | |
Vakinankaratra | Antsirabe | 1959 | 7 | Ambatolampy
Antanifotsy Antsirabe I Antsirabe II Betafo Faratsiho Mandoto |
1 007 | Antananarivo | 17 660 | 2 079 659 | 116,3 | |
Diana | Antsiranana | 2004 | 5 | Ambanja | 586 | Antsiranana | 20 057 | 889 962 | 44,5 | |
Sava | Sambava | 2004 | 4 | Andapa | 742 | Antsiranana | 23 729 | 1 123 772 | 47,2 | |
Amoron'i Mania | Ambositra | 2004 | 4 | Ambatofinandrahana | 790 | Fianarantsoa | 16 498 | 837 116 | 50,8 | |
Atsimo-Atsinanana | Farafangana | 2004 | 5 | Befotaka | 788 | Fianarantsoa | 16 566 | 1 030 404 | 62 | |
Fitovinany | Manakara | 2021 | 3 | Ikongo | Fianarantsoa | 7 962 | ||||
Haute Matsiatra | Fianarantsoa | 2004 | 7 | Ambalavao
Ambohimahasoa Fianarantsoa Ikalamavony Isandra Lalangina Vohibato |
826 | Fianarantsoa | 20 921 | 1 444 587 | 69,4 | |
Ihorombe | Ihosy | 2004 | 3 | Iakora | 293 | Fianarantsoa | 26 093 | 417 312 | 16 | |
Vatovavy | Mananjary | 2021 | 3 | Ifanadiana | Fianarantsoa | 12 775 | ||||
Betsiboka | Maevatanana | 2004 | 3 | Kandreho | 465 | Mahajanga | 29 640 | 393 278 | 13,6 | |
Boeny | Mahajanga | 1959 | 6 | Ambato-Boeny | 395 | Mahajanga | 30 204 | 929 312 | 29,7 | |
Melaky | Maintirano | 2004 | 5 | Ambatomainty | 386 | Mahajanga | 40 897 | 308 944 | 7,6 | |
Sofia | Antsohihy | 2004 | 7 | Analalava
Antsohihy Bealanana Befandriana Mampikony Mandritsara Boriziny |
1 444 | Mahajanga | 51 205 | 1 507 591 | 29,6 | |
Alaotra-Mangoro | Ambatondrazaka | 2004 | 5 | Ambatondrazaka
Amparafaravola Andilamena Anosibe an'Ala Moramanga |
705 | Toamasina | 27 312 | 1 249 931 | 44,9 | |
Ambatosoa | Maroantsetra | 2023 | 2 | Mananara Avaratra
Maroantsetra) |
Toamasina | 551 066 | ||||
Analanjirofo | Fenoarivo Atsinanana | 2004 | 4 | Fenoarivo Atsinanana
Sainte-Marie Soanierana Ivongo Vavatenina |
Toamasina | 729 715 | ||||
Atsinanana | Toamasina | 2004 | 7 | Antanambao Manampontsy
Brickaville, Mahanoro Marolambo Toamasina I Toamasina II Vatomandry |
1 050 | Toamasina | 22 270 | 1 478 472 | 67,1 | |
Androy | Ambovombe | 2004 | 5 | Ambovombe
Antanimora Sud Bekily Beloha Tsihombe) |
1 539 | Toliara | 18 916 | 900 235 | 47,5 | |
Anosy | Tôlagnaro | 2004 | 3 | Amboasary
Betroka Tôlagnaro |
630 | Toliara | 29 568 | 809 051 | 27,4 | |
Atsimo-Andrefana | Toliara | 2004 | 9 | Ampanihy
Ankazoabo Benenitra Beroroha Betioky Morombe Sakaraha Toliara I Toliara II |
1 367 | Toliara | 66 783 | 1 797 894 | 27 | |
Menabe | Morondava | 2004 | 5 | Belo sur Tsiribihina
Mahabo Manja, Miandrivazo Morondava |
559 | Toliara | 49 269 | 692 463 | 14,2 |
Jereo koa
- Tantaran' i Madagasikara
- Tanàna eto Madagasikara
- Pôlitika eto Madagasikara
- Faritra eto Madagasikara
- Distrika eto Madagasikara
- Kaominina eto Madagasikara
- Jeôgrafian' i Madagasikara
- Fanapariaham-pahefana
- Fitsinjaram-pahefana
Rohy ivelany
Lahatsoratra samihafa
- "Lois annotées sur la décentralisation", fes.de
- Madagascar: Profil des marchés pour les évaluations d’urgence de la sécurité alimentaire [1] Archived Septambra 26, 2007 at the Wayback Machine
Didy aman-dalàna
- "Loi n°2014-020 du 27 septembre 2014 Relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes Archived Desambra 11, 2022 at the Wayback Machine.", ceni-madagascar.mg
- "Loi organique n° 2014-018 du 12 septembre 2014 régissant les compétences, les modalités d’organisation et de fonctionnement des Collectivités territoriales décentralisées, ainsi que celles de la gestion de leurs propres affaires Archived Jiona 30, 2023 at the Wayback Machine.", dgfag.mg
- "Loi n°2015-002 complétant l’annexe n°01 de la loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014 relative aux ressources des Collectivités territoriales décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes Archived Novambra 11, 2021 at the Wayback Machine.", ceni-madagascar.mg
- "Loi n° 2021-012 modifiant l’annexe n° 01 de la Loi n° 2014-020 du 27 septembre 2014, modifiée et complétée par la Loi n° 2018-011 du 11 juillet 2018, relative aux ressources des Collectivités Territoriales Décentralisées, aux modalités d’élections, ainsi qu’à l’organisation, au fonctionnement et aux attributions de leurs organes" (pdf), assemblee-nationale.mg
Loharano sy fanamarihana
Aperçu des références
- ↑ "Constitution de la Quatrième République", www.hcc.gov.mg