Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Eritreana
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/b/b6/Eritrean_Orthodox_Cross.jpg)
Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Eritreana dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo izy. Ny filohan' ny fiangonana dia mitondra ny anaram-boninahitra hoe Patriarkan' i Eritrea sady manana ny trano fonenany ao Asmara. Teo ambany fahefan' ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.