Fiekem-pinoan' i Kalkedôna
Ny Fanekem-pinoan' i Kalkedôna (na kalkedôniana) na Fiekem-pinoan' i Kalsedoana (na kalsedonianina) dia fiekem-pinoana tapaka tamin' ny Kônsilin' i Kalkedôna (na Kalsedoana) tamin' ny taona 451. Mamaritra ny fiombonan' ny natiora roan' i Kristy sady nanamafy koa ny maha Renin' Andriamanitra an' i Maria io fanekem-pinoana io.
Ny lahatsoratr' ilay fiekem-pinoana
Amin' ny teny grika
Inty ilay fiekem-pinoana amin' ny teny grika:
"Ἑπόμενοι τοίνυν τοῖς ἁγίοις πατράσιν ἕνα καὶ τὸν αὐτὸν ὁμολογεῖν υἱὸν τὸν κύριον ἡμῶν Ἰησοῦν Χριστὸν συμφώνως ἅπαντες ἐκδιδάσκομεν, τέλειον τὸν αὐτὸν ἐν θεότητι καὶ τέλειον τὸν αὐτὸν ἐν ἀνθρωπότητι, θεὸν ἀληθῶς καὶ ἄνθρωπον ἀληθῶς τὸν αὐτὸν, ἐκ ψυχῆς λογικῆς καὶ σώματος, ὁμοούσιον τῷ πατρὶ κατὰ τὴν θεότητα, καὶ ὁμοούσιον τὸν αὐτὸν ἡμῖν κατὰ τὴν ἀνθρωπότητα, κατὰ πάντα ὅμοιον ἡμῖν χωρὶς ἁμαρτίας· πρὸ αἰώνων μὲν ἐκ τοῦ πατρὸς γεννηθέντα κατὰ τὴν θεότητα, ἐπ᾽ ἐσχάτων δὲ τῶν ἡμερῶν τὸν αὐτὸν δἰ ἡμᾶς καὶ διὰ τὴν ἡμετέραν σωτηρίαν ἐκ Μαρίας τῆς παρθένου τῆς θεοτόκου κατὰ τὴν ἀνθρωπότητα, ἕνα καὶ τὸν αὐτὸν Χριστόν, υἱόν, κύριον, μονογενῆ, ἐν δύο φύσεσιν, ἀσυγχύτως, ἀτρέπτως, ἀδιαιρέτως, ἀχωρίστως γνωριζόμενον· οὐδαμοῦ τῆς τῶν φύσεων διαφορᾶς ἀνῃρημένης διὰ τὴν ἕνωσιν, σωζομένης δὲ μᾶλλον τῆς ἰδιότητος ἑκατέρας φύσεως καὶ εἰς ἓν πρόσωπον καὶ μίαν ὑπὸστασιν συντρεχούσης, οὐκ εἰς δύο πρόσωπα μεριζόμενον ἢ διαιρούμενον, ἀλλ᾽ ἕνα καὶ τὸν αὐτὸν υἱὸν καὶ μονογενῆ, θεὸν λόγον, κύριον Ἰησοῦν Χριστόν· καθάπερ ἄνωθεν οἱ προφῆται περὶ αὐτοῦ καὶ αὐτὸς ἡμᾶς ὁ κύριος Ιησοῦς Χριστὸς ἐξεπαίδευσε καὶ τὸ τῶν πατέρων ἡμῖν παραδέδωκε σύμβολον."
Amin' ny teny malagasy
Inty io fiekem-pinoana io raha adika amin' ny teny malagasy:
"Araka ireo Ray masina izany dia mampianatra amim-piraisam-peo izahay fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesoa Kristy, ilay tanteraka amin' ny maha Andriamanitra, sy tanteraka amin' ny maha olombelona, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy fomba amin' ny Ray araka ny maha Andriamanitra sy mitovy fomba amintsika araka ny maha olombelona, manahaka antsika amin' ny lafiny rehetra afa-tsy amin' ny fahotana, nateraky ny Ray talohan' ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra, ary amin' ny andro farany izy tenany ilay nateraka ho antsika sy ho famonjena antsika avy amin' i Maria Virjiny, Renin' Andriamanitra araka ny maha olombelona, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana fomba roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamy hafa ireo fomba roa ireo dia tsy foanan' ny fiombonana, ny toetran' ny fomban' ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin' ny persôna sy hipôstazy iray, dia Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persôna roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesoa Kristy."
Jereo koa
- Natiora (teôlôjia)