Fiteny tôrlakiana

Ny fiteny tôrlakiana dia fitenim-paritra tetezamita eo anelanelan' ny fiteny serbiana sy ny fiteny bolgariana, izsay samy fiteny slava atsimo. Atao hoe Torlački na Торлачки, izy amin' ny teny serbô-krôatiana. Ny mpahay teny serbiana (Aleksandar Belić) dia mihevitra azy io ho anisan' ny diasistema slava atsimo-afovoany. Ny mpahay teny bolgariana (Benjo Tsonev, Stefan Mladenov, sns.) dia mihevitra azy io ho anisan' ny diasistema slava atsimo-atsinanana. Avahana amin' ny fiteny stôkaviana serbô-krôatiana amin' ny alalan' ny efi-piteny "yat Ѣ" - avy amin' ny fiteny slava taloha ary ampiasaina amin' ny fiteny makedôniana sy ny fiteny bolgariana koa - izy io.

Ny fiteny tôrlakiana, izay tenenina any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Bolgaria, indrindra fa any amin' ny faritr' i Kyustendil sy ny faritr' i Kraishte, ary koa any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Serbia, ao amin' ny faritr' i Pomoravlje sy ny manodidina an' i Niš, dia tsy manana fenitra akademika manokana ary mihavitsy mpiteny manoloana ny fiteny serbiana manara-penitra any Serbia sy ny fiteny bolgariana manara-penitra any Bolgaria.

Jereo koa