Fitsingerenan' ny andro nahaterahana

Labozian' ny enti-mankalaza ny fitsingerenan' ny andro nahaterahana, alohan' ny handrehetana azy.

Ny fitsingerenan' ny andro nahaterahana dia ny tsingerin-taona nahaterahan' ny olona iray, na ny an' ny andrim-piarahamonna iray. Ankalazaina ao amin' ny kolontsaina maro ny fitsingerenan' ny andro nahaterahan' ny olona, ​​matetika amin' ny alalan' ny fanomezana, amin' ny alalan' ny karatra, amin' ny alalan' ny lanonana, na amin' ny alalan' ny "fombafomba fiampitana".

Fivavahana maro no mankalaza ny fahaterahan' ny mpanorina azy na ny olo-malaza ara-pivavahana amin' ny alalan' ny fety manokana (oh: ny krismasy, ny mawlid, ny fitsingerenan' ny andro nahaterahan' i Buddha, ny an' i Krishna Janmashtami, ary nyh an' i Gurpurb).

Misy fahasamihafana eo amin' ny fitsingerenan' ny andro nahaterahana sy ny daty nahaterahana: ny voalohany, afa-tsy ny 29 Febroary, dia miseho isan-taona (ohatra ny 15 Janoary), fa ny faharoa kosa dia ny daty, lazaina amin' ny fomba feno, nahaterahan' ny olona iray (ohatra ny 15 Janoary 2001).