Fivarotana andevo
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/92/A_slave_market_in_Cairo-David_Roberts.jpg/306px-A_slave_market_in_Cairo-David_Roberts.jpg)
Ny fivarotana andevo na varotra andevo dia raharaham-barotra izay anakalozana vola na zavatra hafa ny andevo eo an-toerana na avy any an-tany lavitra. Tokony efa tany amin' ny andro fahagola no nisian' ny fivarotana andevo. Ny fivarotana andevo tany Atsinanana sy ny fivarotana andevo mainty miampita an' i Atlantika no lehibe indrindra amin' ny fomba fitrandrahana ny fanandevozana. Ny endrik' io varotra io ankehitriny dia ilay atao hoe "varotra olona".