Geparda

Ny geparda dia biby misy nono mpihinan-kena, iray sokajy amin' ny saka, miaina ao Afrika sy Azia Andrefana (ao Iràna sy ao Afganistàna avaratra-andefana). Ny anarany ara-tsiansa dia Acinonyx jubatus. Izy no heverina ho biby haingam-pihazakazaka indrindra eto ambonin' ny tany, izay manana hafainganam-pandeha mahatratra 112 km/ora. Tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 dia notombanana ho 100 000 any ny isan' ny geparda nefa nihena ho 7 100 izany tamin' ny taona 2019. Biby arovana noho izany ny geparda.