Hormuz (nosy)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7b/Iran%27s_Rainbow_Island.jpeg/249px-Iran%27s_Rainbow_Island.jpeg)
I Hormuz na Ormuz (amin' ny teny persiana: جزیره هرمز / Jazireh-ye Hormoz) dia nosy iraniana ao amin' ny Hoala Persika. Ao amin' ny andilan-dranomasin' i Hormuz, 8 km miala ny morontsirak' i Iràna, dia ao anatin' ny Faritanin' i Hormozgan ilay nosy. Vitsy ny mponina ao, nefa nisy fitomboana nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20.