Kroazada fahavalo
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f7/Premier_sceau_de_majest%C3%A9_de_Louis_IX_d%C3%A9tour%C3%A9.png/220px-Premier_sceau_de_majest%C3%A9_de_Louis_IX_d%C3%A9tour%C3%A9.png)
Ny kroazada fahavalo dia kroazada notarihin' i Louis IX (na Saint Louis) mpanjakan' i Frantsa tamin' ny taona 1270 taorian' ny fandrahonana nataon' ilay soltana mamelòka atao hoe Baybars tamin' ireo Fanjakana Latina Atsinanana.
Antsipiriany
Nanomana ny kroazada farany i Louis IX tamin' ny taona 1270. Nanentana ireo olona ao amin’ ny saranga ambony izy nefa tsy narisika izy ireo. Ny fanafihana an' i Tonizia dia natao mba hampiovana finoana ny emiran' i Tunis. Nijanona tampoka izany tamin' ny nahafatesan' i Saint Louis teo ambany mandan' i Tunis tamin' ny 25 Aogositra 1270.