Mpifindrafindra monina

Ny mpifidrafindra monina dia olona na vahoaka manana fomba fiaina izay ahitana ny fifindrafindrana mitsingeringerina noho ny antony samihafa. Misy vondron' olona mpifindrafindra monina isan-karazany, toy ny mpihaza sy mpioty, ny mpiompy mifindrafindra monina, ny mpivarotra mifindrafindra, ary ny mpifindrafindra monina isam-pizaran-taona.