Nosivolo
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5e/Rijeka_mangoro.png/220px-Rijeka_mangoro.png)
I Nosivolo dia reniranon' i Madagasikara ao atsinanana sady renirano lehibe manompo an' i Mangoro. Ao atsinanan' i Fandriana no ipoirany. Eo amin' ny fihaonany amin' ny renirano Sandranamby (izay manompo azy) no misy ny tanànan' i Marolambo izay renivohitry ny distrian' i Marolambo ao amin' ny faritra Atsinanana. Isan' ireo renirano manompo an' i Nosivolo koa i Sahadinta sy i Manandriana ary i Sahanao.