Parosia

I Kristy amin' ny voninahiny, mozaikan' ny batisteran' i Md Joany (Florentia), taonjato faha-13.

Ny parosia dia fiavian' i Kristy fanindroany ety an-tany avy any an-danitra amim-boninahitra, ny fahaterahany no fiaviany voalohany.

Fiforonan-teny

Avy amin' ny teny grika hoe παρουσία / parousía izay midika hoe "fanatrehana" na "fiaviana" na "famangiana" ny teny nogasina hoe parosia. Nanaporofo i Adolf Deissmann fa tamin' ny taonjato faha-3 tal. J.K. no nisehoan' izany teny izany mba hilazana ny fitsidihana ôfisialy ny tanàna izay ataon' ny andriandahy na ny manam-pahefana ambony eo amin' ny fanjakana mba hanehoany ny voninahiny[1].

Teo amin' ny asasoratra kristiana voalohany, indrindra fa ny an' i Paoly avy any Tarsisy, dia andikana ny fiavian' i Kristy eo anivon' ny zanak' olombelona ny teny hoe parousía. Amin' i James Dunn dia ampiasain' i Paoly io teny io amin' ny heviny voalohany hoe "fitsidihan' ny olona ambony"[2].

Teôlôjia

Ny parosia dia misantatra ny vanim-potoana mesianika sy ny fiavian' i Kristy fanindroany amin' ny andro farany. Ao amin' ny teôlôjia kristiana dia fiverenan' i Jesoa Kristy amim-boninahitra ny fiaviany fanindroany, izay hametraka amin' izay ny Fanjakan' Andriamanitra eto an-tany. Izany fiaviana fanindroany izany dia nambaran' i Jesoa tenany ao amin' ny Evanjelin' i Joany. Izany fiverenana izany anefa tsy zavatra hitranga any amin' ny fotoana hoavy, na zavatra efa niseho: efa manjaka eo amin' ny Fiangonana sy amin' ny alalan' ny Fiangonana i Kristy, amin' ny maha andrim-pivavahana avy amin' ny apôstôly irak' i Kristy ny Fiangonana, nefa ny zava-drehetra eto amin' izao tontolo izao dia mbola tsy manaiky azy avokoa. Ny fandresen' ny Fanjakan' Andrimanitra dia hotanteraka amin' ny fanafihana farany hataon' ny herin' ny ratsy. Amin' ny andron' ny fitsarana, rehefa ho rava ity tontolo ity, dia ho tonga amim-boninahitra i Kristy mba hanatanteraka ny fandresen' ny tsara ny ratsy izay niara-nitombo nandritra ny tantara araka ny Bokin' ny Apôkalipsy (Apô. 20.13-15). Rehefa tonga amin' ny andro farany hitsara ny velona sy ny maty i Kristy be voninahitra dia hamaly ny olona tsirairay araka ny asany avy sy araka ny fandraisany na ny fandavany ny fahasoavana.

Amin' i Karl Barth dia tsy voafetran' ny fiavian' i Kristy fanindroany ny parosia fa ao anatiny koa ny paska sy ny pentekôsta[3].

Jereo koa

Loharano

Aperçu des références

  1. Adolf Deissmann, Light from the Ancient East:The New Testament Illustrated by Recently Discovered Texts of the Graeco-Roman World, 1908.
  2. James Dunn, The Theology of Paul the Apostle, Eerdmans, 2006, p. 299.
  3. Joseph L. Mangina, Reconciliation has eschatological force. Karl Barth: theologian of Christian witness, Aldershot, Ashgate, , 2004 (ISBN 978-0-7546-0458-7), p. 118.