Salamo faha-100

Ny Salamo faha-100 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefatra" (Sal. 90 - 106). Ny Salamo faha-99 no eo alohany ary ny faha-101 no manaraka azy.

Dikan-teny katôlika

1 Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin' ny Tompo hianareo mponina amin' ny tany rehetra.

2 Manompoa an' ny Tompo amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.

3 Fantaro fa Andriamanitra, Iaveh; izy no nanao antsika, ka azy isika, vahoakany sy andian' ondriny amin' ny tanim-bilony.

4 Avia ho eo ambavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao izy, isaory ny anarany.

5 Fa tsara Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin' ny taona mifandimby ny fahamarinany.

Dikan-teny prôtestanta

1 [Fiantsoana izao tontolo izao hanompo an' i Jehovah] Salamo ho fiderana. Mihobia ho an' i Jehovah, ry tany rehetra.

2 Manompoa an' i Jehovah amin' ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin' ny fihobiana.

3 Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.

4 Midira eo amin' ny vavahadiny amin' ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin' ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,

5 Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin' ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.