Seleokôsy I
Seleokôsy I Nikatôra | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Seleokôsy I Nikatôra | ||
Teraka | 358 tal. J.K. | ||
Maty | 281 tal. J.K | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Makedonia | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I Seleokôsy I Nikatora dia mpanjakan' i Siria tamin' ny taona 301 tal. J.K. hatramin' ny taona 280 tal. J.K. Niantomboka taminy ny fianakavia-mpanjaka atao hoe Seleokida.
Teraka tamin' ny taona 358 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 280 tal. J.K. izy. I Antiôkôsy no rainy ary i Laôdike no reniny. I Apama sy i Stratônike I no vadiny. Niteraka an' i Antiôkôsy I Sôtera sy an' i Akaiôsy I ary i Fila I izy.
Talohan' ny naha mpanjaka azy dia mpitari-tafika (jeneraly) niaraka tamin' i Aleksandra Lehibe izy izay nahazo anjara tamin' ny fizaràna ny faritra nanjakan' i Aleksandra tamin' ny taona 321 tal. J.K. taorian' ny nahafatesan' itsy farany. Nanjary governoran' i Babilôna izy sy mpanjakan' i Babilônia tamin' ny taona 312 tal. J.K.
Tamin' ny taona 302 tal. J.K. izy dia nivondrona hanohitra an' i Makedônia ary tamin' ny taona 301 dia resin' izy ireo ny mpanjakan' i Makedônia atao hoe Antigônôsy Mônôftalmôsy ary maty, ka dia izy no nahazo an' i Siria sy ny ampahany be amin' i Azia Minora. Nanao ny tenany ho mpanjakan' i Makedônia izy nefa novonoin' i Ptôlemaiôsy Keraônôsy taorian' izany.
Nanorina tanàn-dehibe maro izy, ka anisan' izany i Antiôkia (na Antiôka) sy ny tanàna hafa nampitondraina ny anarany toa an' i Seleokian' i Tigra sy i Seleokian' i Pieria. Nampanamboatra vola koa izy.
Rehefa maty i Seleokôsy tamin' ny taona 280 tal. J.K. dia i Antiôkôsy I Sôtera zanany no nandimby azy.
Jereo koa
- Seleokôsy I Nikatôra, i Antiôkôsy I Sôtera, i Antiôkôsy II Teôsy, i Seleokôsy II Kalinikôsy, i Antiôkôsy III Megasy ary i Antiôkôsy IV Epifanesy.
Rohy ivelany
- Ao amin'i Freebase: [1]