Tondroavaratra
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/aa/Br%C3%BAjula_01.jpg/220px-Br%C3%BAjula_01.jpg)
Ny tondroavaratra dia fitaovana entina mamantatra ny avaratra, izay ampiasaina indrindra amin' ny fifamoivoizana an-dranoamasina, ahitana fanjaitra misy hetin' andriamby izay mitodika manaraka ny sahan' andriambin' ny Tany. Manondro mandrakariva ny avaratr' andriamby izy, dia ilay avaratra tsy mitovy amin' ny tendron-tany avaratra ara-jeôgrafia. Misy noho izany ny zorom-pahasamihafan' ireo tendro roa ireo, izay atao hoe fihilana arak' andriamby.