Vy miaina

Vy miaina

Ny vy miaina dia fitaovana mekanika mampiasa ny toetra mizozotry ny akora sasany (indrindra ny metaly) mba hitahirizana lahasa (angovo mekanika) na mba hamokarana hetsika. Afaka mitahiry angovon-toerana ara-pizozotra ny vy miaina rehefa tsindriana, ahinjitra na aolana, avy eo mamoaka izany amin' ny endrika angovo mekanika rehefa miverina amin' ny endriny voalohany. Mifandanja amin' ny fihalavany na ny fanidriana azy ny hery ampiharin' ny vy miaina.