Faritra arovana

Ampahan-tany natokana ho faritra arovana manan-danja amin' ny fahasamihafan' ny zavamananaina eto an-tany, tamin' ny taona 2018

Ny faritra arovana dia toerana voafaritra mazava sy voatokana ary tantanina mba hiantohana ny fiarovana maharitra ny zavaboary sy ny tolotry ny tontolo iainana ary ny soatoavina ara-kolontsaina mifandraika amin' izany.

Saika nanangana faritra arovana avokoa ny firenena rehetra maneran-tany. Fandaharan' asa iraisam-pirenena maro no miaro ny zavaboary sy mamporisika ny firenena rehetra amin' ny fanasokajiana ny toerana ao aminy ho faritra voajanahary.

Nitantana hatrany ny loharanon-karena voajanahary tokoa ny olombelona, nefa tany Etazonia no namoronana ny faritra arovana voalohany tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 talohan' ny nahatonga ny fisahiranana momba ny tontolo iainana ho lasa maneran-tany, tamin' ny faran' ny taompolo 1970, avy eo tany Rio de Janeiro tamin' ny taona 1992 niaraka amin' ny Fifanarahana momba ny Fahasamihafan' ny Zavamananaina (Convention sur la diversité biologique, amin' ny teny frantsay, na Convention on Biological Diversity - CBD, amin' ny teny anglisy) sy talohan' ny fieezan' ilay hetsika hanerana ny planeta iray manontolo.

Jereo koa

  • Tahirin-javaboary
  • Valan-javaboarim-pirenena
  • Valan-javaboarim-paritra
  • Valan-javaboary an-dranomasina