Tahirin-javaboary
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/ec/Tsingy_de_Bemaraha.jpg/255px-Tsingy_de_Bemaraha.jpg)
Ny tahrin-javaboary dia karazana faritra arovana, faritan' ny fitsipika sy fomba fiasa isan-karazany ary fitaovana azo tsapain-tanana sy fanaraha-maso an-tsitrapo, izany hoe araka ny fanapahan-kevitry ny tompony (olona na fikambanana na fanjakana), na noho ny fepetra napetraky ny fanjakana na ny vondrom-piarahamonina.
Ny tanjona amin' izany dia ny hitahirizana sy hitantanana ny harena voajanahary miavaka na atahorana ho simba na ho rava. Anisan' izany ny karazana biby sy zavamaniry, na toeram-ponenana lova; ny toe-javatra izay tiana haverina amin' ny laoniny; ny mineraly, ny fôsily (oh: tahiry jeôlôjika any Frantsa); ary ny endri-paritra miavaka manana fisian-javaboary avo lenta na mitondra fampahalalana momba ny tantaran' ny olombelona. Mety ho anisan' izany ny hetsika nentim-paharazana ataon' ny mponina tompon-tany, raha mifanaraka amin' ireo tanjona voalaza etsy ambony ireo (ary raha tsy tahirin-javaboary manontolo no voakasika).
Ny fanasokajiana ny faritra iray ho tahirin-javaboary amin' ny ankapobeny dia mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana tsy hiharan' ny asan' ny olombelona izay mety hanimba ny tontolo iainana na hanimba ny karazan-javamananaina (fandotoana iniana na tsy nahy, fandoroana, fitrandrahana, fihazana, sns.). Indraindray, ny mpitantana ihany koa dia miezaka, amin' ny alalan' ny drafitra fitantanana, hametra araka izay mety, ny tranga voajanahary toy ny afo, ny fahafenoan' ny farihy, sns.
Anisan' ny fitaovana enti-miaro ny tontolo voajanahary ny tahirin-javaboary izay mifameno amin' ny endrika fiarovana hafa toy ny valan-javaboarim-pirenena, ny valan-javaboarim-paritra ary ny fitahirizana ny morontsiraka.
Mety hanana lanja ifotony, amin' ny faritra na amin' ny firenena ny tahirin-javaboary. Tsy voatery mifandray amin' ny velarany io fananany lanja io. Misy ny tahirin-javaboary ambanin' ny ranomasina sy ambanivohitra na an-tanàn-dehibe, ary misy ny valan-javaboary an-dranomasina.