Fikambanana ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasa ao Eorôpa

Soratra famantarana ny OSCE

Ny Fikambanana ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasa ao Eorôpa dia fikambanam-piarovana iraisan-governemanta ahitana firenena mpikambana ao Eorôpa sy Amerika Avaratra ary Azia. Atao hoe Organisation pour la sécurité et la coopération en Europe izy amin' ny teny frantsay, fa Organisation for Security and Co-operation in Europe kosa amin' ny teny anglisy, izay samy hafohezina amin'ny hoe OSCE. Nandimby ny Fihaonambe ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasa ao Eorôpa (frantsay: la Conférence sur la sécurité et la coopération en Europe, anglisy: Conference on Security and Co-operation in Europe) tamin' ny taona 1995 ny OSCE.

Sarintany maneho ny firenena mpikambana ao amin' ny OSCE (maitso) sy ny firenena hafa mpiara-miombona antoka aminy (volomboasary).

Ny OSCE dia misahana ny olana mifandraika amin' ny fiaraha-miasa eo amin' ny firenena mandray anjara amin' ny fiarovana sy ny lafiny maha olona, ​​toy ny fifehezana ny fitaovam-piadiana, ny fampihorohoroana, ny fitantanana tsara, ny fiarovana ny angovo, ny fivarotana olona an-tsokosoko, ny demôkrasia, ny fahalalahan' ny haino aman-jery ary ny vahoaaka vitsy anisa. Mpandray anjara manan-danja amin' ny fiarovana iraisan' i Eorôpa manontolo ny OSCE, amin' ny maha fikambanana tokana ahafahan' i Rosia, i Etazonia, i Kanada ary ny firenena rehetra any Eorôpa sy Azia Afovoany mifampiresaka mivantana momba sehatra maro sy amin' ny tantana mitovy.

Ity fikambanana ity dia sehatra fifampiraharahana ara-diplômasia manodidina ny tanjona sy ny foto-kevitra napetraka ao amin' ny Helsinki Final Act tamin' ny 1975 sy ny fifanarahana aty aoriana momba ny fiarovana, ny toekarena, ny tontolo iainana ary ny maha olona. Manao hetsika sivily eny an-kianja ny OSCE mba hisorohana ny ady na handray anjara amin' ny famahana izany, hanampy ny firenena hamolavola rafitra ara-demôkrasia, ary hiaro ny zon' olombelona sy indrindraindrindra ny an' ny vitsy anisa. Tamin' ny fiafaran' ny taompolo 2010 dia nahakasika firenena dimy ambin' ny folo mahery ireo hetsika ireo, ary nampiasa olona manodidina ny telo arivo. Mitaky marimaritra iraisana eo amin' ny firenena mpikambana fito amby dimampolo ao aminy ny fanapahan-keviny, ary ara-pôlitika ihany fa tsy araka ny lalàna.

Sahirana ny OSCE tamin' ny taompolo 2000 noho ny fisehoan' ny fifandonana vaovao teo amin' ny faritra misy azy, noho ny fahasahiranana natrehina momba ny famahana ny ady nitsahatra hoazy tsy misy fifanarahana mamarana azy, ary koa teo amin' ny sehatra momba ny maha olona. Maro amin' ny mpikambana tandrefana no nampihena ny fandraisany anjara, manome vahana ny OTAN sy ny Vondrona Eorôpeana, raha toa kosa ny sasany amin' ny mpikambana tatsinanana, indrindra i Rosia, no manohitra ny teritery mifandray amin' ny fanoloran-tena atao ao anatin' ny OSCE. Ny tsy fisian' ny fihaonana an-tampony teo anelanelan' ny taona 1999 sy 2010 no famantarana miharihary indrindra amin' ity fanilikilihana ity. Mitana toerana lehibe eo amin' ny fanelanelanana ara-diplômasia sy eny an-kianja anefa ny OSCE, indrindra amin' ny fitadiavana vahaolana momba ny adin' ny mpisara-bazana ao Donbass ao Okraina.