Môrmônisma

Ny Bokin' i Mômôna, amin' ny teny anglisy

Ny môrmônisma dia fanao sy fotopampianarana ary teôlôjian' ny fiangonana ao amin' ny Hetsika Olomasin' ny Andro Farany, natombok' i Joseph Smith tany amin' ny ndrefan' i New York tamin' ny taona 1820 sy 1830. Ampahany manan-danja amin' ny teôlôjia môrmôna ny Bokin' i Môrmôna, izay mamaritra ny tenany ho tantaran' ny mponina teratany tany am-boalohany tany Amerika sy ny fifandraisany amin' Andriamanitra. Ny teôlôjia môrmôna dia ahitana ny finoana kristiana mahazatra miampy fanovana avy amin' ny fanambaràna azon' i Smith sy azon' ny mpitondra fivavahana hafa. Tafiditra ao anatin' izany ny fampiasana sy finoana ny Baiboly sy ny lahatsoratra ara-pivavahana hafa, anisan' izany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Voahangy Lafo Vidy. Ny Môrmôna dia ahitana fotopampianarana manan-danja momba ny fanambadiana mandrakizay, ny fivoarana mandrakizay, ny batisa ho an' ny maty, ny fampirafesana na fananana vady maro, ny fahadiovana ara-nofo, ny fahasalamana (voasoritra ao amin' ny Tenin' ny Fahendrena), ny fifadian-kanina ary ny fitandremana ny Sabata.

Izany fotopampianarana izany dia ahitana koa ny Teti-pamonjena izay misy vondron-dalàna voalamina, ôrdônansy mandrakizay, ireo lalàna ireo no rafitra entin' Andriamanitra mitantana ny fanjakany. Mino ny fisian' ny Teti-pamonjena izay ahafahan' ny olona mendrika hiverina eo anatrehan' Andriamanitra ny Olomasin' ny Andro Farany. Atao hoe "Filazantsaran' i Jesoa Kristy" ny teôlôjian' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany. Fampianarana avy amin' ny fanambaràn' i Jesoa Kristy izay miendrika firafetan-dalàna sy didy mandrakizay izany ka ny olona manaraka an-tsakany sy an-davany an' izany dia mahazo antoka fa hiditra eo amin' ny fanatrehan' Andriamanitra. Ireo lalàna sy didy ireo no lamim-pitondrana ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra. Ho voavonjy avokoa ao amin' ny Fanjakam-boninahitra ny olona rehetra fa tsy voatery ho ao amin' ny Fanjakan' ny Lanitra.

Ny teôlôjia mihitsy dia tsy ranoray; nanomboka tamin' ny taona 1831, ary indrindra taorian' ny nahafatesan' i Joseph Smith, dia nisaraka tamin' ny Fiangonan' i Kristy naorin' i Smith ny vondrona isan-karazany. Ankoatra ny fahasamihafan' ny fitarihana, ireo vondrona ireo dia samy hafa be indrindra amin' ny fiheverana ny fananana vady maro, izay noraran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany tany Utah tamin' ny taona 1890, ary momba ny trinitarianisma, izay tsy anaovan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany amin' ny fomba mitovy amin' ny ataon' ny Fiangonana hafa izay milaza fa momba ny fanekem-pinoana (tany Nikea, Kalkedôna, sns.). Raha fintinina dia tsy misy marimaritra iraisana amin' ny fankatoavana na tsia ny kônsily ekiomenika isan-karazany. Ny sampan' ny teôlôjia môrmôna izay mikatsaka ny hitazonana ny fanambadiana maro dia fantatra amin' ny anarana hoe fondamentalisma môrmôna ary ahitana fiangonana maro samihafa izay nolavin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany, ary voaroaka.

Ny vondrona tsy mifandray amin' ny fahefan' ny fiangonana ôfisialy dia manamafy ny trinitarisma amin' ny fomba mitovy amin' ny fiangonana ekiomenika hafa, toy ny Fiombonan' i Kristy (Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany Nohavaozina, taloha), ary mamaritra ny fotopampianaran' izy ireo ho famerenana amin' ny laoniny ny kristianisma trinitera izay mifanohitra amin' ny fotopampianarana sy fampianarana ôfisialin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany.

Ny olombelona

Ny fiainana miaraka amin' Andriamanitra talohan' ny feteza-maty

Ny olombelona rehetra dia voafidy avy ao amin'ny fiainana talohan' ny feteza-maty mba hotonga ety an-tany sy mba hanandrana ny fiainan' ny vatana ara-nofo sy taolana ary mba hahazo ny hatsaran-toetra kristiana alohan' ny hiverenany eo anatrehan' Andriamanitra.

Ny tapany tsy mety maty amin' ny olombelona, izany hoe ny fanahiny, dia naterak' Andriamanitra Ray. Zanak' Andriamanitra ara-bakiteny ny olombelona sady notezainy mandra-pahalehibeny tao amin' ny fitoerana mandrakizain' ny Ray alohan' ny hiaviany tety an-tany miaraka amin' ny vatana mety maty azo tsapain-tanana.

Ny Famoronana dia nahafahan' ny fahalavoan' ny olombelona hitranga, dia ny Fahalavoana izay ilaina amin' ny fanatanterahana ny fanavotana nataon' i Jesoa Kristy.

Mandao ny fanatrehan' Andriamanitra

Ny Fahalavoan' i Adama sy i Eva dia dingana tsy maintsy nilaina amin' ny fahaterahan' ny zanaky ny fanahin' ny Ray. Raha tsy teo io dingana io dia tsy ho nanan-taranaka i Adama sy i Eva ary tsy ho nahalala ny tsara sy ny ratsy na koa ny atao hoe fiainana mandrakizay any aoriana, araka ny voasoratra ao amin' ny Bokin' i Nefia (2Nefia 2:22-25). Tsy zava-dratsy ny fahalavoan' i Adama sy i Eva.

Mifandray amin' Andriamanitra

Ny vavaka sy ny fampianaran' ny mpaminany ary ny fandinihana ny Soratra Masina no hahafahana mifandray amin' Andriamanitra.

Fiezahan' ny Olomasina ho amin' ny tonga lafatra hatrany

Izany ezaka izany dia tanterahina amin' ny alalan' ny fanajana ny andron' ny Sabata, ny lalàn' ny fahadiovana (tsy fanaovana firaisana ara-nofo alohan' ny fanambadiana sy fanajana ny vady), ny fandoavana ny ampahafolon-karena, ny fifadian-kanina, ny asa sy andraikitra manokana, ny Tenin' ny Fahendrena (tsy fifohana sigara na fikisohana paraky, tsy fisotroana zavatra misy alikôla sy kafe ary dite na zava-mahadomelina hafa), ny fanatanterahana asa fanirahana (misiôna), ny fanajana ny didy hahafahana mihatongalafatra hatrany ao amin' ny fahendrena kristiana.

Ny fianakaviana mandrakizay

Manatratra ny fanandratana ny voninahitra, izany hoe ny fitohizan' ny fiainana, ny Olomasin' ny Andro Farany, ka izany dia mila ny hahazoana ny sakramentan' ny fanambadiana mandrakizay ao amin' ny Tempoly. Noho izany dia tsy maintsy voatombo-kase mandrakizay sady ny zanaka koa voatombo-kase amin' ireo ray aman-dreniny ny mpivady.

Ny asa ao amin' ny Tempoly sy ny tantaran' ny fianakaviana

Ampianarina ny Filazantsara indray ireo izay efa maty any amin' ny tontolon' ny fanahy, ka ao izy ireo dia manan-tsafidy malalaka hanaiky na handà ny sakramenta tanterahina ho azy ireo eto amin' izao fiainana izao. Tanterahin' ny mpivavaka mendrika ao an-tempoly amin' ny alalan' ny fisoloan-tena ny ireo sakramenta ireo, izay asam-pamonjena hoan' ny maty. Manao fikarohana ny tetiarany ny Olomasin' ny Andro Farany mba hahalala ny anarana sy ny andro nahaterahan' ny razambeny mba hahafahana manatanteraka ho azy ireo ny sakramenta na ôrdônansy (batisa, fanamafisana ny finoana, ny fanokana amin' ny asa, ny fanomezana, ny fanambadiana, ny fanombohan-kase eo amin' ny ray aman-dreny sy ny zanaka).

Ny fiainanana aorian' ny fahafatesana

Toeram-piandrasan' ny fanahin' ny olona eo anelanelan' ny fahafatesana sy ny fitsanganan-ko velona. ny tontolon' ny fanahy aorian' ny fiainana eto ambonin' ny tany. Misy fizaràna miavaka tsara izany: ny paradisa izay andraisana ireo izay nanaiky ny Filazantsara; sy ny fonjan' ny fanahy izay andraisana ireo izay tsy nanoa ny Filazantsara na izay tsy nanaiky azy nandritra ny fiainany tety an-tany na izay tsy mba nandre izany akory. Ampianarina ao amin' io fonjan' ny fanahy io ny Filazantsara ary ireo izay manaiky ny sakramentan' ny batisa tanterahina ho azy ireo ao amin' ny Tempoly dia hankany am-paradisa. Tanterahina amin' ny alalan' ny fisoloan-tena ataon' ny velona ireo sakramenta ireo, izay asam-panavotana ho an' ny maty.

Fitsanganan' ny olona tsirairay amin' ny maty alohan' ny hitondrana azy eo anatrehan' Andriamanitra hotsaraina ny fitsanganan-ko velona ho an' ny rehetra. Ny fitsarana farany dia iheverana an' ilay olona manontolo (fahalalana, asa natao, teny, hevitra, faniriana, fieken-keloka).

Misy ny fanomezana dingam-pisondrotam-boninahitra: amin' ny fitsarana dia omena ny iray amin' ny dingam-boninahitra telo, arakaraka ny safidiny tao amin' ny fotoana nahamety maty azy (eto an-tany) sy any an-koatra ny olona tsirairay. Ireto ireo dingana na ambaratongam-boninahitra ireo: telestialy sy terestrialy ary selestialy. Teny am-panoharana ireo.

"Ny Andriamanitra"

Ny Môrmôna dia mino ny fisian' ny atao hoe "Ny Andriamanitra" (anglisy: Godhead) iray izay fitambarana olona telo miavaka tsara: Andriamanitra Ray (Elohim) izany Andriamanitra fara tampony, Rain' ny fanahy rehetra; sy i Jesosy Kristy (Jehovah) izay lahimatoan' Andriamanitra Ray, ilay Mpanavotra an' izao tontolo izao; ary ny Fanahy Masina izay fanahy izay mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka.

Hafa tsy tahaka ny an' ny fiangonana katôlika sy ôrtôdôksa ary prôtestanta ny fiheverany an' Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay lazainy fa samy Andriamanitra miavaka. Tsy ampianariny ny Trinite. Ao amin' ny Olomasin' ny Andro Farany dia ny Ray no matetika atao hoe Andriamanitra. Mifanahaka ny Ray sy ny Zanaka (Jaona 14:6-7). Andriamanitra no mpanapaka izao rehetra izao. Mitoetra any an-danitra Andriamanitra (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17). Ao amin' ny teôlôjia môrmôna, Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany ary ny Fanahy Masina dia zavatra telo miavaka tsara sady misaraka ara-batana tsara nefa miray tanteraka raha ny amin' ny tanjona hamonjena ny olombelona no heverina.

Fisian' ny fanahy hafa

Reny any an-danitra

Ny Olomasin' ny Andro Farany dia mino ny fisian' ny Reny any an-danitra na dia tsy dia manantitrantitra loatra ny anjara asany amin' ny fampianarana ampahibemaso aza izy ireo. Mino ny Môrmôna fa tahaka ny ananantsika Ray any an-danitra dia manana Reny any an-danitra koa isika izay vadiny. Mino izy ireo fa ny fianakaviana dia môdely mandrakizay, koa noho izany dia misy fianakavian' andriamanitra any an-danitra. Tahaka an' Andriamanitra Ray izay Rain' ny fanahintsika, dia raisina ho Renin' ny fanahintsika koa ny Reny any an-danitra. Zanany ara-panahy tokoa isika. Inoan' ny Môrùona fa manana toetr' andriamanitra izy io, toa an' Andriamanitra Ray.

Fandrosoana mandrakizay

Fotopampianarana fototra ao amin' ny môrmônisma dia ny "fandrosoana mandrakizay". Mampianatra izy io fa afaka mandroso sy mivoatra ara-panahy ny olombelona mba ho tonga tahaka an' Andriamanitra. Io fotopampianarana io dia midika fa olombelona mety maty izay nandroso ho amin' ny maha andriamanitra azy Andriamanitra. Ho fanampin' izany dia milaza izy io fa ny olo-marina dia hahatratra ny satan' ny andriamanitra any amin' ny mandrakizay, ary mety ho tonga andriamanidahy sy andriamanibavy. Izany finoana izany dia manavaka ny môrmônisma amin' ny kristianisma mahazatra.

I Jesoa Kristy

Ilay Voalohan-teraka tao amin' ny zanaka fanahy

Tamin' ny dinidinika tao an-danitra dia i Jehovah, izay tsy iza fa i Jesoa Kristy, ilay voalohan-teraka tao amin' ny zanaka fanahy rehetra, dia vonona ka nidina tety an-tany hanolotra ny ainy hanaisotra ny fahotan' izao tontolo izao. Hoy izy ao amin' ny Bokin' i Mosesy: "Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary anao mandrakizay ny voninahitra" (Mosesy 4:2).

I Losifera kosa dia te-hanery ny zanaky ny Ray hanao ny sitrapon' izy Losifera. Rehefa nohenoin' Andriamanitra Ray ny zanany roalahy dia hoy izy: "Halefako ilay voalohany" (Abrahama 3:27). Noho izany dia i Jesoa Kristy no voafidy ho Mpanavotra.

Zanany lahitokana kosa ao amin' ny nofo

I Jesoa Kristy no ivon' ny teôlôjia môrmôna: ny fahaterahany, ny fiainany, ny sorom-panavotana nataony ary ny fitsanganany amin' ny maty. Ny sorom-panavotana nataon' i Jesoa Kristy dia trangan-javatra lehibe indrindra amin' ny tantaran' ny Zanak' olombelona. Noho i Kristy nanana fiainana tonga lafatra no nahatonga azy ho mendrika ny hanolotra ny ainy ho vidim-panavotana amin' ny fahotan' ny olombelona rehetra. Ny sorom-panafahana no nahatanteraka ny finoana an' i Kristy sy ny famonjena nataony.

Ny Olomasin' ny Andro Farany dia manambara fa i Jesoa no Voalohan-teraky ny Ray ao amin' ny fanahy fa Zanany lahitokana kosa ao amin' ny nofo. Izy no Kristy na Mesia, izany hoe ilay "Voahosotra". Izy ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha, dia i Jehovah izany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110.3-4) izay voalahatra mialoha ho amin' izany antso lehibe izany talohan' ny Famoronana izao tontolo izao. Izy no namorona ny Tany sy izay rehetra eo aminy, araka ny fitarihan'ny Ray. Naterak' i Maria tao Betlehema izy ary niaina tsy nisy fahotana sady nanatanteraka ny Fanesorana amin'ny fomba tongalafatra ny fahotan' ny olombelona rehetra tamin' ny fandatsahany ny rany sy tamin' ny nanolorany ny ainy teo amin' ny hazo fijaliana.

Nitsangan-ko velona izy mba haha azo antoka ny fitsanganan' ny olombelona rehetra amin' ny maty amin' ny farany. Tamin' ny alalan' ny vidim-panavotana nataony sy ny fitsanganany ho velona no hahafahan' izay mibebaka amin' ny fahotany sy mankato ny didin' Andriamanitra hiaina mandrakizay miaraka amin' i Jesoa sy amin' ny Ray.

Ny fiaviany indray dia ilaina amin' ny Famonjena

Ny fiavian' i Jesoa eto amin' izao tontolo izao dia ilaina mba handovan' ny olombelona ny Famonjena, ary ny fiainany dia ohatra tongalafatra ho an' ny fomba fiainan' ny olombelona. Atao amin' ny anarany ny vavaka sy ny tso-drano ary ny sakramentan' ny asam-pisoronana.

I Jesoa Kristy no mpahary sy mpamonjy ary Andriamanitry ny tany manontolo. Ho avy amin-kery sy voninahitra izy hanjaka eto an-tany mandritra ny arivo taona, ary amin' ny andro farany dia izy no ho mpisolovava rehefa hitsara ny olombelona rehetra Andriamanitra Ray (Guide des écritures, p. 107.).

Jereo koa

Teôlôjia isam-piangonana

  • Teôlôjia prôtestanta
  • Teôlôjia dispensasiônalista
  • Teôlôjian' ny anabatisma
  • Teôlôjia ôrtôdôksa
  • Teôlôjia evanjelika
  • Teôlôjian' ny môrmônisma
  • Teôlôjian' ny Vavolombelon' i Jehovah