Matoriandro
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a0/Madagascan_owl_%28Asio_madagascariensis%29.jpg/220px-Madagascan_owl_%28Asio_madagascariensis%29.jpg)
Ny matoriandro dia karazana vorondolo mpihaza alina ao amin' ny fianakaviana Strigidae. Atao hoe vatsy koa izy any amin' ny faritra sasany eto Madagasikara. Atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Asio madagascariensis izy. Karazaana antonony tsy fahita matetika afa-tsy eto amin' ny Nosy izy. Indraindray izy io dia heverina ho mitovy karazana amin' ny Asio otus. Amin' ny Malagasy, noho izy mpivoaka amin' ny alina, dia malaza ho voron' ny mpamosavy izy.