Sofina

Ny sofina dia taova fandrenesana izay mandray sy manamafy ny feo azony. Amin' ny biby mampinono dia io koa no ahafahany maha marin-toerana ny vatany raha mijoroany, mipetraka, mandeha, sns, ka tsy mampianjera azy. Ao amin' ny biby mampinono dia mazàna ny sofina dia misy fizaràna telo: ny sofina ivelany, ny sofina afovoany ary ny sofina anatiny.