Tsaramaso
Ny tsaramaso dia zavamaniry maniry isan-taona, izay antsoina amin' ny anarana siantifika hoe Phaseolus vulgaris L., volena hatao laoka. Azo hanina miaraka amin' ny hodiny izy raha mbola tena maitso fa ny voany ihany no azo hanina rehefa maina izay misy prôteinina betsaka. Any Amerika Afovoany sy any Amerika Atsimo no fiavian' ny tsaramaso. Mandray anjara betsaka amin' ny sakafon' ny olombelona izy noho ny fananany tavolo sy prôteinina betsaka sady ahafahana mihazona ny azôta ao amin' ny tenan' ny olombelona.
Misy fomba roa no ihinanana ny voany: raha mbola tanora izy dia azo andrahoina miaraka amin' ny hodiny (pepany) ka antsoina hoe "tsaramaso tanora" no fiantso azy, raha efa matoy ny voany iena na maina ka efa mafy ny hodim-boany (pepany) dia andrahoina tsy ammin-kodiny ny tsaramaso.