Vondrom-piteny paleô-siberiana

Ny fiteny paleô-siberiana na paleô-aziatika na hiperbôreana dia vondrom-piteny ahitana fianakaviam-piteny madinika efatra ao amin' ny tapany atsinanan' i Siberia. Ireto avy ireo fianakaviam-piteny ao amin' io vondrona paleo-siberiana io:

  • ny fianakaviam-piteny ieniseiana (ahitana ny fiteny keta sy ny fiteny ioga; ny ankamaroany dia fiteny maty);
  • ny fianakaviam-piteny tsoktsa-kamtsadala (na loôravetlàna na tsokotko-kamtsatkàna) (ahitana ny fiteny tsoktsa, ny fiteny aliotora, ny fiteny koriaka, ny fiteny kereka ary ny fiteny itelmena na kamtsadala);
  • ny fiteny nivke (na giliàka, fiteny manirery).
  • ny fiteny iokagiry (fiteny manirery).
  • ny fianakaviam-piteny eskimô-aleota (indraindray ampidirina ao)
  • ny fianajaviam-piteny aino (indraindray ampidirina ao)

Jereo koa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny