Tibet
I Tibet dia faritra an-dembalemba any avaratry ny tangoron-tendrombohitra Himalaya any Azia, onenan' ny Tibetana sy foko hafa (Monba, Qiang ary Lhoba) ary misy mponina Han sy Hui. I Tibet no lembalemba be mponina indrindra eto an-tany, ary 4 900 m ny haavony miohatra amin' ny ranomasina.
Ny velaran-tanin' i Tibet dia miova eo anelanelan' ny 1 221 600 km2 (ho an' ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet) sy 2 500 000 km2 (ho an' ny "Tibet ara-tantara" na "Tibet Lehibe". Ny renivohitra ara-tantara izay, araka ny mahazatra, ifantohan' ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ao Tibet, dia i Lhasa.
Amin' ny anarana hoe "Tibet ara-tantara", ity faritra ity, izay takian' ny governemanta Tibetana any an-tsesitany, dia ahitana faritra telo nentim-paharazana:
- i Ü-Tsang: ny ampahany be amn' ny fizaran-taniny dia tafiditra ao amin' ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet;
- i Amdo: nisaraka ho Faritanin' i Qinghai sy Faritanin' i Gansu ary Faritanin' i Sichuan;
- i Kham: mizara amin' ny Faritanin' i Sichuan sy ny Faritanin' i Yunnan ary ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet).
Ilay atao hoe "Tibeta ara-tantara" izay takian' ny governemanta tibetana an-tsesitany dia misy faritra telo, dia i Ü-Tsang (ny ampahany be amin' io faritra io dia ao amin' ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet) sy i Amdo (izay mizara amin' ireto faritany ireto: i Qinghai sy i Gansu ary i Sichuan) ary i Kham (izay mizara amin' ireto faritany ao amin' ny faritra mizakatenan' i Tibeta: i Sichuan sy i Yunnan).
Miisa 6 000 000 any ho any ny Tibetana ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny ankamaroan' ny Tibetana dia manaraka ny bodisma tibetana. Miteny amin' ny endrika isam-paritra telon' ny fiteny tibetana izy ireo. Ny fiteny tibetana dia ao amin' ny fianakaviam-piteny tibetô-birmana.
Jereo koa
Lisitry ny firenena any Azia:
- Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jeôrjia - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara (na Birmania) - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina - Rosia - Sina - Singapôro - Siria - Srilankà - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Timôro Atsinanana - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy
Fanjakana mbola misy olana:
- Abkazia - Karabaga Ambony - Kordistàna - Ôsetian' i Alania Atsimo - Riokio - Tibeta